Fifamoivoizana

Fametrahana GPS 2300 ireo fiara fitaterana nisitraka izany


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Ho fampivoarana sy ho fanatsarana ny sehatra fitateram-bahoaka dia natomboka teo anivon’ny Koperativa UCTS (Union des Coopératives Transporteurs Standardisés) ilay tetikasa fametrahana GPS.

 

Ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro no tompon’antoka ary nanao Sonia niaraka tamin’izany ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny CNaPS, ny UCTS ary ny Orinasa misehatra amin’ny Teknolojia vaovao TEC. Miisa 2300 ireo fiara nasiana GPS ary mbola niditra tamin’ny ara-dalàna avy hatrany ihany koa ny saofera sy ny resevera tamin’ny fisitrahana ny CNaPS. Araka izany dia hahazo ny tombony tokony ho azo rehetra amin’ny lafiny ara-tsosialy izy ireo ary ho tsara ihany koa ny tolotra azon’ireo mpanjifa. Tombanana hihena hatrany amin’ny 10% mantsy ny tahan’ny lozam-pifamoivozana eto Antananarivo sy ny any amin’ny lalam-pirenena. Etsy andaniny dia afaka manaraka tsara amin’ny finday ny tompona fiara mahakasika ny fotoana sy ny toerana misy ny fiara. Misy ihany koa ny tatitra azo amin’ny fampiasana GPS tahaka ny toro vitan’ny fiara sy ny fampahatsiahivana raha efa akaiky lany ny Assurance na ny Visite technique n’ ny fiara.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT