Fifamoivoizana

Famerana ny saran-dàlan’ny taksibe “Midika ho didim-panjakana ny tenin’ny Filoha”


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Midika ho didim-panjakana nataon’ny Filoham-pirenena ny famerana ny saran-dàlana ho 600Ar taorian’ny dinika niarahana tamin’ny mpitatitra,

raha ny fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny mety ho toetry ny andro tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetrany Atoa Andrianalison Ratsimba tao amin’ny pejim-baovaon’io Minisitera io. Amin’ny maha minisitera mpiahy, dia tsy ekena ny 800Ar fa haverina ho 600Ar ny saran-dàlana. Raha misy misy tsy minia tsy mankatoa, dia handraisana fepetra, raha ny fanazavany. “Ohatran’ny efa didim-panjakana iny, ka tokony hanatanteraka izany ny rehetra, tsy misy tokony hanao beloha. Sazy faran’izay henjana, toy ny fisintonana ny taratasy fahazoan-dàlana hanao asam-pitaterana na “licence” no miandry izay minia mandika izany”, hoy hatrany io tompon’andraikitra ambony io. Nohazavainy fa ny fampiakarana saran-dàlana nataon’ny FMA (Fitaterana Mirindra ho an’Antananarivo) dia nampiantso ny FMA ny sabotsy teo, tsy tonga izy, azo an-tso an-tariby, nampilazana fa tsy mety ny fampiakarana saran-dàlana 800Ar fa tsy maintsy 600Ar. Nanomboka omaly, efa namerina ny saran-dàlany ho 600Ar ny saran-dàlana ho an’ny FMA. Misy ihany koa anefa ny zotra sasany mbola nampihatra ny 800Ar noho ny tsy mbola fahazoana toromarika avy tamin’ny koperativa. Ny somary manitikitika sy mahagaga taorian’ny ambara fa fivoriana niarahan’ny Filoha tamin’ny mpitatitra, dia tsy nisy ny didim-panjakana mazava na taratasy fanambarana mazava mikasika izany, tahaka ny tamin’ny fivoriana nanapahana ny vidin-tsolika ka nahatonga ny fanambaran’ireo samy niatrika izany ho tsy nitovy dia ny firaisamonim-pirenena sy ireo voalaza fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Raharaham-panjakana no resaka eto, andeha ary hoekena fa ao anatin’ny hamehana ka tonga dia mihatra avy hatrany ny didy am-bava tsy mila taratasy ataon’ny Filoham-pirenena. Efa ny 01 may 2022, roa volana sy tapany izay no nilazana fa hakarina ny karaman’ny mpiasa tsy miankina, efa ny volana may no nihatra ny an’ny mpiasam-panjakana. Nahoana no tsy tonga dia mihatra fa mbola mila didim-panjakana ary raha tahaka izany tokoa no efa endriky ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy fomba fiasa ankehitriny?
Legende: Atoa Andrianalison Ratsimba, tale kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny mety ho toetry ny andro
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT