Fifamoivoizana

Famendrahana ranom-panafody Taxi-be 160 isa no nenjehina omaly ho an’Itaosy


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Mafy ny tsy nidiram-bola tao anatin’ny iray volana ho an’ireo tompona taxi-be, indrindra fa ireo mpamily sy ny mpanampy azy noho ny hamehana ara-pahasalamana.

 

 

 

Samy nihazakazaka nanondraka ranom-panafody ny fiarany avokoa ny rehetra nanomboka omaly araka izany, baiko avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Ministeran’ny fitaterana iadiana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19. Ho an’ny tananan’Itaosy manokana izay ahitana koperativam-pitaterana miisa efatra dia fantatra fa fiara miisa 160 no tsy maintsy nenjehina omaly izay nifampizaran’izy ireo. Vao maraina araka izany dia efa samy nihazakazaka namonjy laharana ny rehetra raha tamin’ny 02 ora folakandro kosa no fotoana nomena azy ireo. Raha araka ny fanazavan’ny lehibena koperativa iray dia mbola hitohy anio Alarobia izany fanondrahana ranom-panafody izany ho an’ireo mbola tsy nahavita izany. Mikasika ilay fahafahana miasa kosa dia nanambara ity lehibena koperativa iray ity fa mbola tsy fantatra mazava ny mikasika ilay fanandaminana mikasika ny laharan’ny fiara an-kasa sy tsy an-kasa. Misy amin’ireo koperativa mantsy hoy izy no an-kasa avokoa ny laharany ka iza no alefa sy tsy alefa ? Tsiahivina moa fa narahina fizarana aron-tava ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy ny hetsika raha nasiana soratra ihany koa ny fiarakodia izay vita izay fanondrahana ranom-panafody izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT