Fifamoivoizana

Famendrahana ranom-panafody ny Taxibe Miara-miasa amin’ny orinasa tsy miankina ny koperativa sasany


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Hampidirina foriera avy hatrany ireo taxibe tratra tsy manara-dalàna manoloana

 

 

ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 eto amintsika. Ankoatra ireo manao seza 5 izany hoe : mametraka olona afovoany amin’ny strapontin dia arahi-maso akaiky ihany koa ireo tsy mamendraka ranom-panafody ny fiara ho fiarovana ny mpandeha . Ho an’ireo taxibe sasany eto amintsika dia miara-miasa amina orinasa tsy miankina mihitsy ny koperativa misy azy ireo amin’ny fanatanterahana izany. 1.000 Ar isaky ny fiara isan’andro ny mamendraka ranom-panafody ka ankoatra ilay fiakaran’ny tongotra ao anaty fiara ao aloha sy any aoriana iny dia rarahana fanafody ihany koa ny vy mety holalovan’ny tanana rehetra, ny seza….. hisorohana ny mety ho fifindran’ny aretina. Raha tsiahivina moa dia andro maromaro mihitsy no fotoana hitazonana ireny fiara tsy manara-dalana ireny any ambalam-pamonjana rehefa tratra no sady mbola handoavam-bola ihany koa. Ny Ministeran’ny fitaterana miaraka amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety no manatanteraka izany ka efa mahatratra 10 mahery ireo efa tazonina etsy Anosy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT