Fifamoivoizana

Famaranana ny taona Hikarakara zotra manokana ny Air Madagascar


  • Talata 01 Desambra 2020

Hisy ny zotra anabakabaka manokana ho karakarain’ny avy eo anivon’ny

 

kaompaniam-pitanterana ana habakabaka Air Madagasikara ao anatin’izao famaranana ny taona izao. Tsy andeha irery anefa ity kaompania ity, raha ny fanazavana voaray, fa hiara-kiasa amin’ireo kaompania hafa. Zotra manokana miainga ao Eoropa mihazo an’Antananarivo izy io manomboka ny 12 desambra 2020 izao ka hatramin’ny 19 janoary 2021. Anton’ny fanapahan-kevitra, raha ny fanazavana hatrany dia noho ny fanapahana teo anivon’ny governemanta Malagasy ny amin’ny fahafahana mifamezivezy noho ny antony lehibe ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Eo ny fodiana an-tanindrazana, famangiana fianakaviana, antony ara-kasa. Hanaraka ny fenitra anatiny sy iraisampirenena momba ny fitantanana ity krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid 19 ity hatrany anefa ny fepetra raisina rehetra, hoy hatrany ny fanamarihana sy fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT