FALY RESEVERA

Mijoro adin’ny 14 ora isan’andro, tsy mijanona miteny


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Tsy misy asa mora no sady tsy misy asa ratsy rehefa hahafahana mivelona.

Samy manana ny toe-javatra hiainany ny tsirairay noho izany mandrapahatapitry ny tontolo andro. Anisan’ireny i Faly, tovolahy kely receveur miasa amin’ny zotra-pitaterana iray eto an-drenivohitra. Tahaka izao no resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy.
Nanomboka hoviana ianao no nanao ity asa ity dia nanahoana ny famolahan-tena ?
Vao 17 taona aho dia efa nanao ity asana receveur ity, 2 taona izao no nanaovako io asa io. Maty tampoka mantsy Dadanay dia tsy afaka nianatra intsony izahay. Mamanay koa mbola tsy niasa tamin’izany dia tsy maintsy nitady hevitra nitady vola aho. Namako akaiky no narahiko tety tamin’ny voalohany dia aveo aho nampidiriny niasa tao aminy. Mafy ilay famolahan-tena tamin’ny voalohany fa efa tena zatra izao.
Ahoana izany asana receveur izany ?
Mafy ny asana receveur ! ( sady mitsiky kely). Tsy maintsy mifoha amin’ny 03 maraina aho indraindray misasa sy misolo akanjo. Amin’ny hariva tonga ao an-trano mantsy noho ilay havizanana dia tsy mahavita an’izany intsony. Tsy maintsy tonga ao amin’ny garazy amin’ny 04 ora maraina mijery ny soliky ny fiara sy manadiodio ary mamelona dia miainga avy hatrany aveo.
Inona no tena mafy amin’ilay asa ?
Ilay nijoro mandrapaharivan’ny andro. Adin’ny 14 ora eo ho eo aho no mijoro isan’andro no sady tsy mijanona ny miteny sy miantsoantso. Manontany izay hiala sy miantso izay mpandeha mbola tokony handeha raha mbola tsy feno ny toerana. Miampy ny vavan’ny mpandeha sy ny hataon’ny mpangarom-paosy io. Saika hiainanay isan’andro mihitsy izany. Lany tampoka eny am-pandehanana ny solika ohatra nefa ny olona efa maika hamonjy asa dia mimenomenonabe zareo. Tsy ampy ny famerim-bola na mbola tsy misy vola madinika dia tsy mahandry ry zareo….Ny an’ireo mpangarom-paosy indray efa fantatra endrika izy ireny vao miakatra saingy na mba te-hiaro ny mpandeha aza ianao tsy afa-manoatra fa tadiaviny hovonoina. Izao efa voahambana tamin’ny antsy tetsy Ampefiloha.
Dia mba mahazo ohatrinona ianareo isan’andro, mandray karama isam-bolana ve ?
Ny anay zao tsy misy karama isam-bolana izany !. Manenjika 70.000 Ar isan’andro izaho sy ny mpamilinay dia izay amboniny azonay no entinay mody. Fa tena mafy ny manenjika an’io rehefa misy lalana amboarina eto an-drenivohitra. Toro 4 isan’andro mantsy sisa no vita raha tokony hahatratra 7 izany koa na ny volan’ny mpampiasa aza tsy voahenjika intsony. Rehefa mba mety ny hatao dia mitondra 20.000 Ar mody isanisany isan’andro izahay nefa misy fotoana tsy mitondra mihitsy koa.
Pati
Legende : Tahaka izao hatrany ny asan’ny receveur mandrapaharivan’ny andro !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT