Nangina tanteraka ny « Gare routière » Andohatapenaka omaly, raha toa ka nifanitsa-kitro ny teny an-toerana nandritra ireo telo andro namelan’ny fitondram-panjakana ireo mpitatitra hitondra ireo olona hody any amin’ny Faritra misy azy avy.
Tsy nahitana fiara mpitatitra teny an-toerana na iray aza. Ny eo anivon` ny ATT kosa dia mbola mamoaka ireo taratasy fahazoan-dalana mifamoivoy ho an` ireo fiara ampiasain’ny orinasa tsy miankina kanefa tsikaritra fa nihena ireo mangataka izay fahazoan-dalana manokana izay. Nanamafy ny ATT fa voahaja tsara ny fepetra rehetra amin’ny ady tsy hiparitahan’ny valanaretina COVID-19. Tsara no manamarika fa mbola manankery hatrany ireo fahazahoan-dalana navoaka tamin’ny 15 andro voalohan’ny fihibohana. Nisy tsy fahampian` ny serasera tato ho ato mantsy ka niteraka tsy fifankazahoana teo amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany misakana ireo fiara mivezivezy amin’ny filazana fa efa lany daty ireny fahazoan-dalana ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.