Fifamoivoizana

Fahazoan-dalana manokana hivezivezy Inona avy ireo taratasy ilaina ?


  • Zoma 27 Martsa 2020

Filaharam-be tsy nisy toy izany ny teny amin’ny “Centre de commandement opérationnel” COVID 19 eny Ivato afak’omaly ho an’ireo nikasa haka taratasy fahazoan-dalana manokana hivezivezy eto Antananarivo

 

 

 

. Nitadiavam-bahaolana izany mba ho famaliana ny hetahetan’ny rehetra ka fantatra fa nafindra etsy amin’ny tobim-piantsonana Makis Andohatapenaka nanomboka omaly. Amin’ny maraina manomboka amin’ny 08 ora ka hatramin’ny 12 ora atoandro ihany no miasa ity ivon-toerana ity. Ho an’ireo fiara tsotra dia noferana ho olona miisa 2 ihany no afaka entiny. Ny fiarana orinasa mitatitra mpiasa dia mila mangataka fahazoan-dalana ka manao taratasy ho an’ny minisitry ny atitany. Ahitana ny anaran'ny orinasa, ny lisitry ny fiara hangatahana alalana, ny lisitry misy ny anaran'ny mpiasa, ny taratasy manamarina fa tena ilainao marina ny mivezivezy, izany hoe Taratasy miisa 4 no atao dika mitovy  2,  ampirimina anaty “chemise” ary aterina eny Andohatapenaka . Tsara marihina anefa fa ny fandraisana ny dosie dia tsy midika fa azo ekena ny fangatahana, raha ny fanazavana hatrany, afaka 24 ora kosa no fantatra ny valin’izany aorian’ny fandinihana ataona vaomiera manokana. Ny mikasika ny fivezivezena amin’ny alina mandritry ny fotoanan’ny « Couvre feu » (amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina)  dia tsy mila mangataka alalana fa avy hatrany dia mahazo manao izany ireo mpitsabo sy mpitondra marary. Toy izany koa ny mpitandro filaminana sy ny mpandraharaha miasa amin’ny sehatry ny filaminana sy fampandriana fahalemana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT