Fifamoivoizana

Fahavitana sy fitokanana ny RN44 Tara herintaona, hiandrasana akaiky fifidianana


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Ny volana jona 2023 no hotokanana ny làlam-pirenena faha-44 raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Talata Volonondry ny sabotsy teo.

Raha efa vita tanteraka ny ampahany Marovoay-Amboasary, dia voafaritra fa ny 13 oktobra 2020 kosa no nanombohan’ny ampahany faharoa PK 60 hatramin’ny PK 133 mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala, ary 24 volana ny faharetan’ny asa, voasoratra mazava fa ny 13 oktobra 2022 no mifarana. Izay no voarakitry ny fifanarahana tamin’ny CRBC (China Road and Bridge Corporation), saingy mbola miandry amin’ny jona indray izany, vao tena ho vita matoa miandry an’izany ny fitokanana. Nisy fotoana toa nikatso ny asa, nipetra-potsiny ireo fitaovana. Inona no anton’ny fahatarana? Sa efa kajikajy vita mba ho any akaiky propagandy vao hotokanana? Na izany na tsy izany, irariana ny hahavitan’ity RN44 ity hatramin’ny farany satria efa hatry ny ela no nanirian’ny olona ny hahavitany manontolo, taorian’ny fahavitan’i Moramanga-Marovoay tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT