FAHATAPAHAN’NY RN7

Tsy misy saran-dalana miakatra izany


  • Zoma 05 Janoary 2024

Tapaka ny lalam-pirenena fahafito mampitohy an’i Fianarantsoa syToliara.

Izany dia vokatry ny voina nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izay niditra tao Morombe, raha tsiahivina, ary nampitondra faisana faritra maro. Hisy araka izany ny fanamboarana io lalana io izay efa nanomboka omaly Alakamisy 04 Janoary tamin’ny 09 ora maraina ary tsy hisokatra raha tsy amin’ny Sabotsy 06 Janoary ho avy izao. Na izany aza raha araka ny fanadihadiana natao tetsy anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana dia tsy misy ny fiakaran’ny saran-dalana. Ny mpandeha no hifanakalozana hoy izy ireo rehefa tonga eo amin’ilay lalana tapaka. Ho an’ny avy eto Antananarivo ohatra dia ao Fianarantsoa no mandray fiara hafa mankany Toliara indray ireo mpandeha, raha saran-dalana toy ny mahazatra ihany no alohany any am-potony. Ho an’ireo mpandeha avy any Toliara indray dia eo Fianarantsoa izy ireo no raisin’ireo taxi-brousse miazo an’Antananarivo, raha any am-potony ihany koa no mandoa ilay saran-dalana toy ny teo aloha izy ireo. Izany no natao hoy ny tompon’andraikitra dia ialana amin’ny fanararaotana ny mpandeha mety hitranga. Tsiahivina moa fa manodidina ny 70.000 Ar eo ho eo ny saran-dalana miazo an’i Toliara amin’izao fotoana izao raha 35.000 Ar ny miazo an’i Fianarantsoa.
Pati
Legende : Tsy miakatra izany ny saran-dalana miazo an’i Toliara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT