Fifamoivoizana

Fahatapahan’ny RN 7 Mbola tsy nahazo filazana ôfisialy ny mpitatitra hatramin’ny omaly


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Raha araka ny feo mandeha dia ho tapaka ny lalam-pirenena fahafito manomboka ny Alatsinainy 17 Aprily ho avy izao ka hatramin’ny Alarobia 19 Aprily. Noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao amin’ny tetezana ao amin’ny PK 84+950 ao Ambohimandroso no anton’izany.

 
Hatramin’ny omaly nanaovanay ny fanadihadiana anefa dia nanambaran-dRakotondrafa Fredinard filohan’ny ASTRAM fa mbola tsy nahazo filazana ôfisialy avy amin’ny Ministeran’ny asa vaventy ny tenany mikasika izay fahatapahan’ny lalam-pirenena fahafito  izay. Vahaolana  horaisin’izy ireo araka izany raha tena mitombina tokoa io feo mandeha io fa ho tapaka manomboka amin’ny Alatsinainy ny lalana dia ny fanaovana ny transbordement. Mety hampiakatra ny saran-dalana tampoka anefa izany hoy izy noho ny fandaniana tsy maintsy hataon’ny mpitatitra na koa miandry ny fahavitan’ilay tetezana mihitsy vao mandeha miasa ny mpitatitra. Tsiahivina moa fa mbola tonga soa aman-tsara teny amin’ny fasan’ny Karana avokoa omaly ireo mpitatitra niazo ny lalam-pirenena fahafito no sady tsy mbola nisy nahazo vaovao ihany koa mikasika ity fahatapahan-dalana kasaina hatao  ao Ambohimandroso ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT