Fifamoivoizana

Fahasimban’ny tetezan’Antanambao Tsy hay hoe rahoviana ny fanamboarana


  • Zoma 25 Martsa 2022

Namoaka filazana omaly ny minisiteran'ny asa vaventy fa mampahafantatra ny besinimaro hoe voafetra ho "25 taonina" ny lanjan'ny fiara mandalo eo amin’ny PK 501+706, tetezan'Antanambao,

 kaominin'Andranolava, disitrikan'i Marovoay, eo anelanelan'Ambondromamy sy Mahajanga. Ny minisitera dia maneho ny fialan-tsiny amin'izay mety ho fanelingelenana haterak'izany, hoy ny filazana. Fantatra fa nahitana fahasimbana vokatry ny fihoaran’izany fetra izany ity tetezana ity, raha ny fampitan-tsary nomen’ny minisitera omaly. Etsy ankilan’izany rehetra izany anefa dia manjavozavo ihany ity fampitam-baovao ity satria dia mampametra-panontaniana hoe mandra-pahoviana izay fanelingelenana izay satria toa tsy nisy fampahafantarana fa hisy ny fanamboarana na fanarenana atao amin’ity tetezana simba ity? Tsy hay hatreto hoe rahoviana izay fanamboarana izay no hisy na hanomboka. Efa manomboka ve sa tsia ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT