Fifamoivoizana

Fahasimban`ny lalana Samy tompon’andraikitra ny rehetra


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Sahirana daholo ireo mpampiasa lalana eto an-drenivohitra satria tena be loatra ny lavadavaka sy fahasimbana. Misy ihany ny mpanao lalana hita manao ny fanarenana saingy toa peta-toko ny asa alasafay satria tsy maharitra iray volana akory ireny dia simba indray.

 Miteraka fitohanana lavareny ary fahasorenana mihitsy ny zava-misy. Lasa fandaniam-bola fotsiny ny fanamboaran-dalana eto an-toerana ary misy mihitsy mpamily milaza fa aleo ihany lalana feno lavaka dia miezaka mitandrina toy izay ireo tapitapenana kitoatoa nefa vao mainka manimba fiara. Tsy manara-penitra tsara tokoa ny kalitaon`ny asa saingy eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana sy ny hadalana ataon’ny olona. Etsy an-kilany anefa, misy ireo olona eny amin`ny arabe no manary rano maloto. Eo ihany koa ireo manasa fiara eny an-dalambe ka mikoriana ny ranon-tsavony. Tsy ny rano ihany no fahavalon`ny lalana fa hatramin`ny ran-kena, izany hoe manodidina labatoara na mpivaro-kena, indrindra ny taovan-kena.  Tsy mahagaga raha mora simba ny lalana eto satria ny fanamboarana efa vonjitavanandro, ny olona tsy mikolo fotodrafitrasa. Miampy ihany koa ireo sarety gasy amin`ny kodiarana vy be, izany hoe sarety taritin`ny omby. Ny vidin`ny tara eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena dia misy karazany ary miankina amin`ny fandrakofana tiana atao. Taonina iray amin`ny tara hahavitana 10 m2 raha 5 sm ny hateviny. Amin`ny ankapobeny, 20 euro ny 1m2 ny vidiny saingy miankina amin`ny kalitao sy habetsany. Tsy mahagaga raha mitaraina ny mponina manerana ny nosy noho ny fanaratsiana ny lalana. Maivana ihany koa ny tahiry fikojakojana ny lalana (FER). Tsy azo hodian-tsy hita kosa ny lalam-baovao, ny lalana simba ezahina amboarina, ny fotodrafitrasa maro vita na an-dalam-pamaranana. Samy tompon’andraikitra amin`ny fikojakojana ireo ny rehetra fa tsy avela ho an`ny fanjakana irery akory ny fikolokoloana azy ireny raha tiana hisitraka azy ireny ny taranaka faramandiby.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT