Fahapotehan’ny RN2

Ny 40% tamin’ny kamio no efa nitsoaka an-daharana


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Tafakatra 40% ny salan’isan’ireo kamiao mpitatitr’entana miazo ny lalam-pirenena

faharoa nitsoaka an-daharana hatreto vokatry ny haratsian-dalana. Diso miaina fatiantoka loatra mantsy izy ireo noho ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja fanamboarana fiara. Vidiana 2 hetsy Ar ny kojakojana fiara iray mora indrindra raha araka ny fanazavan’ny filohan’izy ireo nefa tsy maintsy misy zavatra simba isaky ny mahavita asa fitaterana indray miantoana ny kamiao iray. Toraka izany ny fitomboan’ny solika lany izay nambarany fa mbola hiakatra ihany koa ny vidiny atsy ho atsy. Tsy lazaina intsony ny fitohanana misy any amin’ny lalam-pirenena faharoa rehefa misy fiara simba vokatry ny haratsian-dalana….Mikasika ilay tranga tao Marovoalavo ny faran’ny herinandro teo moa dia nambarany fa be dia be ny entana mihitsoka ao Toamasina vokatr’izany koa tsy fantatra izay mety mbola ho fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina.
Pati
Legende : Ity lalam-pirenena faharoa ity no tena mampikolay fatratra azy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT