Fahapotehan’ny làlana

Nanamafy ny fiampangany ny PRM sy PM i Hajo A


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Fantatro tsara raha ireo dosie mikasika ny fanamboaran-dalana ary hamafisiko hatrany ny efa

nolazaiko tamin'ny 04 Jolay 2023 fa i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian no manakana ny famoahana ny volan'ny Fonds Routier sy manalava ny dingana famoaham-bola. Tsy mitombona mihitsy, hanafaingana ny asa kanefa ianao ihany no misintona ilay izy tsy handeha. Sa mitady hanilika ny rihatra any amin'ny hafa indray ? », hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo omaly nitondra setriny teo anatrehan’ny famorian’ny Praiminisitra ny teo anivon’ny Minisiteran’ny asa vaventy izay toa nobedesina sy nomena baiko hanafaingana ireo asa fanamboaran-dàlana samihafa. I Hajo Andrianainarivelo izay marihina fa nahalala tsara ny aty vilany tao amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy, ary manamafy ny efa nambarany izay niapanga ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Raha hiverenena sy tsiahivina bebe kokoa dia nambarany tamin’io jolay 2024 io, fa nisy ny lalàna namaritra ny tsy maintsy hanaovana fanavaozan-drafitra ka anisany ny fikitihana ny tahiry ho an’ny an’ny fikojakojana ny làlana izay FER (Fond d’Entretien Routier) lasa FR (Fond Routier). Nanipika kosa anefa i Hajo Andrianainarivelo tamin’izany, fa araka ny lalàna, matoa mandeha ny tolo-bidy dia misy vola izany ao amin’ny kitapom-bolan’ny FR. « Ny vola misy, fa baiko avy any amin’ny Praiministra ny hoe tsy azo kitihana ny volan’ny FR raha tsy mahazo alalana avy any amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Mbola mitohy izany hatramin’izao ka miteraka ny tsy fandoavana ny volan’ny orinasa sy ny fahapotehan’ny lalana. », hoy izy tamin’izany. Asa akaiky ny fifidianana ary mitombo hatrany ny tsy fahombiazan’ny fitondrana dia raikitra ny sinema na sarin’ady politika ka hanaovana fampanantenana etsy sy eroa fa amboarina ireo làlana izay tsy noraharahiana hatramin’izay ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT