Fifamoivoizana

Fahapotehan’ny lalana eny Itaosy Mampikaikaika ny olona


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Mihapotika tsikelikely ny lalana mihazo an’Itaosy ankehitriny. Manomboka eny Anosimasina ka hatrany Andranonahoatra, mirefy 2 km sy 500 eo ho eo.

 Vao mainka mahazo vahana ny fitohanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Rakotomandimby Jean Martial dia tsy mety mihitsy ny hikarakarana io lalana io amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao na dia misy aza ny fahafahana hanao izany. Eo an-danin’izay koa hoy izy efa lany tanteraka  ny teti-bolan’ny kaominina tamin’ny taona 2017 ka tsy misy intsony ny vola azo hanamboaran-dalana. Ny minisiteran’ny asa vaventy ihany koa tsy mety handray andraikitra satria ny lalam-pirenena ihany, hono, no andraikiny raha RIP ny lalana mihazo an’Itaosy nefa tsy zakan’ny kaominina ny teti-bola. Efa miezaka ny mitady vahaolana izy ireo toy ny fangatahana any amin’ny FER sy ny minisiteran’ny asa vaventy. Mbola fanontaniana mipetraka ny mety hahavitan’ny lalana mihazo an’Itaosy miainga eo Ampasika. Tahaka izao ny hevitr’ireo mpampiasa lalana sendra anay.

Voahangy, renim-pianakaviana niteraka roa : Tena tokony hamboarina aloha ilay lalana mihazo an’Itaosy e ! Vao mifoha maraina mantsy ianao dia efa miferon’aina amin’ny dia an-tongotra mandrapahatonga eny Ampasika noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana isan’andro. Izany amin’ny hariva izany moa dia mahalany ora telo eny ambony fiara mihitsy vao tonga any an-trano nefa lalana 2 km sy 500.

Eliane, renim-pianakaviana niteraka telo : Izaho izao efa ho 45 taona no nipetraka tety Itaosy. Ny mampalahelo anefa dia tsy mba misy mihitsy ny fikojakojana maharitra ity lalana ity fa ny fanampitampenana hatrany no misy, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tena tokony handray andraikitra amin’izay ny fanjakana e ! Dia tokony hojerena ihany koa ireo sarety sy posy mibahana eny an-toerana nefa tena manimba lalana tokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT