Fifamoivoizana

Fahapotehan’ny lalam-pirenena Rotika hatramin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Rotika hatramin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra na “trottoir” ankehitriny ny lalana eto Madagasikara, raha ny hita amin’iny lalam-pirenena faharoa na RN2 iny,

manoloana ity faharotehan’ny lalam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao ity. Zary toy ireny vakoka rotiky ny ady mirakitra tantara ireny sisa ny fahitana azy, raha ny hita amin’ireo sary ampitain’ireo mpanara-baovao hatreto aloha. Lasa vazivazy zaritenany moa ilay fitenenana hoe mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona. Mahasorena ny maro kosa ny miheritreritra mahita izany rehetra izany hoe izao ve no mba valimbabena tamin’ireo hetra naloha hampandehanana ny raharaha eto amin’ity firenena ity sy ny nandaniana ireo mpitondra mihitsy? Ho an’ireo mpampiasa lalana moa, araka ny efa natsidiky ny mpanao politika iray izay, dia misy ny hetra alaina amin’ny solika lanin’ireo mpampiasa azy ireny kanefa dia izao izany no tamberin’andraikitra mba haterany. Misy koa ilay antsoina hoe hetra mivantana sy tsy mivantana, hoy ny fanazavan’ireo manam-pahaizana, satria na mividy borosy nify eny amin’ireo tsena madinika aza ny olompirenena iray dia efa mandray anjara amin’ny fandoavan-ketra noho iny tsena iny mandoa hetra mivantana na koa hoe mandoa “ticket”, hoy ny filaza azy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT