Fifamoivoizana

Fahafaha-mampiasa lalana etsy Isoraka Mahatsiaro fitongilanana amin’ny vahiny ireo mponina


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Ireo milaza fa mpanao lalàna dia mahagaga fa dia tsy mahafantatra izany atao hoe lalàna akory satria mampihantra izany amin’ny hery fitongilanana amin’ny madinika ary manome vahana ny vahiny,

hoy ny fitarainan’ireo mponina etsy Isoraka omaly manoloana ny tranga miseho eny an-toerana. Raha ny lalàna dia tsy azo ekena ny fampiasana ny «trottoir» ho an’ny fivarotana, hoy ny fanazavana. Samy mampiasa izany avokoa anefa eo na ny vahiny na ny malagasy. Voakorontana, hitondrana kamiao, rahonana ireo malagasy ety an-toerana ary alaina an-keriny ny entany fa ireo vahiny kosa dia tsy misy sahy mikitika nefa ny eo amin’ny tandrify ny toeran’izy ireo aza dia tsy misy lalana andehana mihitsy fa tsy maintsy maniraka amin’ny arabe ny olona, hoy ny solotenan’ireo mponina. Manao antsoavo ireto mponin’Isoraka ireto ny mba hampitoviana ny rehetra satria tsy misy ny ambon’ny lalàna fa ny lalàna dia natao ho an’ny olon-drehetra, hoy izy ireo. Ankoatra izay dia maro ihany koa ireo velon-taraina momba ny vola mihoam-pampana alaina amin’izy ireo ka mangataka ny ben’ny tanana izy ireo ny mba hijery akaiky izany satria misy ireo ao ambany fahefany sy ireo mpiasan’ny kaominina no manao fanamparam-pahefana. Eo ihany koa ny resaka “trottoir’’ izay hangatahan’izy ireo ny hanamboarana izany satria tamin’ny andron’ny fanjanahantany no nankaty dia tsy mbola nisy mihitsy ny fanamboarana azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT