Fifamoivoizana

Ethiopian Airlines Nampitombo ny zotra mankaty Madagasikara


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

Efa hatramin’ny voalohan’ny taona no nanokatra zotram-piaramanidina eto amintsika ny Ethiopian Airlines, izay miainga eto Madagasikara mankany Addis Abeba.

Efa hatramin’ny voalohan’ny taona no nanokatra zotram-piaramanidina eto amintsika ny Ethiopian Airlines,  izay miainga eto Madagasikara mankany Addis Abeba. In-telo isa-kerinandro no nisy io sidina io tany am-boalohany fa nanokatra andro iray fahefatra ahafahana misitraka izany zotra izany ny Ethiopian Airlines. Ho fanamarihana io andro voalohany hisokafan’ny zotra fahefatra ao anatin’ny herinandro io, dia hizara fanomezana ho an’ireo mpandeha mividy ny tapakila ho an’ny sidina amin’ny sabotsy 14 oktobra ho avy izao ny Ethiopian Airlines. Ireo izay tsara vintana dia hahazo “connexion” ao anaty fiaramanidina avy hatrany mandritra ny sidina. Hisy ihany koa ny loka be dia be hozaraina amin’ireo mividy tapakila tsara vintana ka fitaovana ao an-tokantrano maro samihafa toy ny “machine à laver, réfrigérateur, mixeur, climatiseur…” ireo fanomezana ireo.  Azo atao ny miantso avy hatrany ny laharana 020 22 307 34 – 034 07 637 92, ahazoana fanampim-panazavana misimisy kokoa sy hamandrihana avy hatrany ny tapakila.  Tsiahivina moa fa firenena maherin’ny 110, manerantany no hiasan’ny Ethiopian Airlines.

Rinahsoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT