Elankelan-trano lasa lalan’ny moto

Mampitaraina fiarahamonina


  • Talata 23 Septambra 2025

Mampitairaina fiarahamonina eto Antananarivo renivohitra ankehitriny

ity elekelan-trano lasa lalan’ny kodiaran-droa na moto ity. Zary lasa saika ahitàna izany avokoa ny elankelantrano maro toy ny eny Ankadifotsy, Andravoahangy, Behoririka, rehefa mety ho elakelan-trano. Tsy vitan’ny hoe lasa miafy ny mpandeha tongotra, hoy ny mpampiasa lalana iray, fa tsikaritra ho miongotra tsikelikely ihany koa ireo karazana fototra manohana trano na mitana ny lalana tsy ho petsan’ny orana rehefa fahavaratra. Tsy ny simenitra sy fasika ary birika fotsiny no hanamboaran’ireo mpitondra kodiaran-droa lalana ho an’ireny fitaovam-pitaterana ireny ireny fa hatramin’ny rarivato ihany koa. Isa-maraina izao saika misy rarivato lasa banga foana eny amin’ny lalana, hoy ihany ny fitarainana, ary hita ho mivoatra ho lasa mety amin’ny kodiaran-droa koa nefa ny elakelan-trano. Izany hoe andro alina no anendahan’ireo mpitondra moto ilay rarivato.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT