Elanelan’ny arabe sy tetezan’Anosibe

Lasa fandrian’ireo tsy manan-kialofana


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Mitombo isa ireo Malagasy tsy manana fahafahana mandoa hofantrano intsony.

Saika mamonjy ireo toerana natokana ho an’ny tsy manan-kialofana ny ankamaroan’izy ireny ka ankoatra ireo tonga manatevin-daharana etsy amin’ny La Reunion kely dia tsy vitsy ireo mamonjy ny toerana fiantsonan’ny taxibe. Toraka izany ny eny Anosibe eny anelanelan’ny arabe izay misy miara-mandry amin’ny biby fiompy toy ny omby mihitsy ny sasany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia misy fianakaviana hatrany amin’ny 5 tonta izy ireo raha kely no miara-monina eny an-toerana. Gony sy sachet plastika no hatambatambany hanamboarany trano koa na amin’ny andro atoandro aza dia miaina toy ny olon-drehetra eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireny. Mivoaka ny trano dia mangataka na kely na lehibe ary mihinana izay ambin-tsakafo hariarian’ny olona eny rehetra eny… dia toy izany hatrany. Raha araka ny fantatra dia misy hatreny ambonin’ilay tetezana mavo eo Anosibe ireo tsy manan-kialofana no matory amin’ny alina saingy miaro tena fotsiny mba tsy ho latsaka ety ambany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministeran’ny mponina mba hijery akaiky azy ireo. Olona very mantsy ny ankamaroan’izy ireny ka tsy manana fahafahana ny hanofa trano intsony.
Pati
Legende : Efa misy tsy manan-kialofana matory koa ety ambonin’ity tetezana miloko mavo ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT