Eddy Ramaroson

“Mbola malalaka ny sehatry ny fitaterana”


  • Zoma 05 Janoary 2024

Ho fitandremana amin’ireo mpisoloky eny anivon’ireny tobim-piantsonana

fitateram-bahoaka manampy na ilay sokajiana anatin’ny hoe “service plus” ireny dia hentitra ny fepetra, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fico trans plus etsy Ankadimbahoaka, Eddy Ramaroson. Efa faritana mialoha ny zon’ireo mpandeha mikasika ny entana entiny, ohatra hoe 10 na 15kg, hoy izy. Ny entana sarobidy raha azo entin-tanana na ilay antsoina hoe “bagage à main” dia aleo tsy atao any amin’ny “soute” na ambanin’ny fiara. Toy izany koa ny fitaovana mora vaky satria dia tsy miantoka ny orinasa raha sendra misy olana izy ireny nefa tsy any amin’ny toerana voafaritra no napetrak’ilay olona. Misy tapakila mikasika ny entana mihitsy hamaritana ny antsipirian-javatra rehetra ka tsy mitombina ny filazana fa misy entan’ny mpandeha matetika tsy hita ato. Mahazo tapakila toy izany koa ilay toerana hivantanana, ohatra hoe Ambohimahasoa na Antsirabe izay vao mivoaka ny entana. Misy kamera manara-maso rahateo ato. Misy manandrana misiloky mody haka entana toy izao dia rehefa takiana kara-panondro nefa izy dia tonga dia lasa na koa hoe firy ny laharan’ny findain’ilay olona. Tsy fantany dia lasa izy. Sedra nandalovana tao anatin’izay 3 latsaka kely nijoroana izay ny famolahana an’ilay fandraharahana tany am-boalohany satria anatin’ny bokin’andraikitra rehefa hoe miisa 16 ny mpandeha dia tsy maintsy izay. Hajaina ny kalitaon’ny fiara sy ny rehetra. Ela nisehatra tanaty fitaterana ianao dia mba te hiova amin’ny tsaratsara kokoa. Tena sedra ny fisian’ny atao “racolage” be dia be eto an-tanàna. Ao ambadika ao ihany dia efa misy manao ohatran’ny “gare routière” na fiatsonam-piara tsy manaraka fenitra. Mody maka solika etsy amin’ny Galana ry zalahy dia sady manararaotra maka olona. Maniraka mpanera koa maka olona ato anatiny ato. Ny kalitaon’ny tolotra no ezahana atao matotra hisorohana fa tena mafy taminay aloha ilay izy. 2021-2022 dia Ambatolampy no nisantaranay azy ity. Rehefa tonga ny fotoana, na olona miisa 2 aza no anaty fiara dia lasa. Safidy tsinona ilay hoe “service plus” fa rehefa mba hitan’ny olona kosa aloha hoe ato tsy misy mandrirotra entana na tsy fandriampahalemana dia folaka ny olona. Dia nanitatra niha nanitatra amin’izay avy eo. Mbola malalaka ny sehatry ny fitaterana saingy aleo mihezaka manatsara ny fenitra aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT