DREN Analamanga

Mbola tsy mianatra ny mpianatra


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Noho ny fisian'ny rotsak’orana izay mbola mitohy hatrany eto amin'ny faritra Analamanga sy ny fiakaran'ny rano

eny amin'ny faritra iva dia nanapaka ny "comités de vigilance" na komitin’ny fahamailoana eo anivon’ny fiadidiana ny fampianarana na DREN fa mbola miato ny fampianarana amin'ireto CISCO voalaza manaraka ireto anio alakamisy 20 febroary sy rahampitso zoma 21 febroary 2025, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly hariva. Tafiditra ao anatin’izany ny CISCO Antananarivo Renivohitra, CISCO Atsimondrano, CISCO Avaradrano, CISCO Ambohidratrimo, CISCO Manjakandriana. Noraisina moa izao fanapahan-kevitra izao ho fiarovana hatrany ireo mpianatra amin'ireo loza mateti-pitranga amin'ny vanim-potoana toy izao toy ny tany mihotsaka, tamboho mianjera, lalana tapaka sy malama na dibo-drano. Aorian'izay kosa dia entanina mba hanaraka ny tetiandrom-pampianarana ireo tomponandraikitra rehetra. Asaina hatrany isika noho izany hanaraka tsy tapaka ny vaovao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT