Distrikan’i Manjakandriana

«Laharam-pahamehana ny fikojakojana lalana»


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Tsy misy teritery fa resaka fahavononana no naharesy lahatra anay solombavambahoaka hanao

fanambaram-pananana teny Ambohidahy, hoy ny depiote voafidy tao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina. Ny teny nomena na «engagement» amin’ny maha solombavambahoaka, hoy izy, tsy maintsy atao. Izao hariva izao (TTF:omaly hariva) izao ny tenako dia andeha hamonjy ny kaominin’Ambohibary. Izao moa no tapaka ny hoe asiana mpikarakara mandava-taona iny lalan-tany miditra an’i Manjakandriana mandalo an’Ambohibary hatrany Andranovory iny. Efa misy manao izany fikojakojana mandavan-taona izany izao ny lalana mampifandray an’Ankazondandy sy Ambohidratrimo an’ala. Izay no hitarina manerana ny distrikan’i Manjakandriana ary inoana fa azon’izay mahita izao fampitam-baovao izao atao manerana an’i Madagasikara koa izany. Izao izany dia nifampitaona fanindroany indray ny tao amin’ny kaominin’Ambohibary. Ny tapaka tamin’ny fivoriana voalohany dia ry zareo mihitsy no nafana fo hoe mitadiava fitaovana na «engin» fa izahay vonona hiantoka izay hampandeha izany tetikasa izany. Niantso ny governoran’Analamanga moa ny tenako dia nampanantena hanome izany «engin» izany izy ka hisaorana azy. Izaho manokana moa dia ao amin’ny distrika nahalany ny tenako foana no manao zavatra raha misy tokony atao. Laharam-pahamehana izao ny fikojakojana ireny lalan-tany mampifandray ny mponina ireny mba ho vita mialohan’ny hilatsahan’ny orana. Efa natao izany tao amin’iny kaominin’Imerinkanjaka iny. Atsy ho atsy koa ny an’ny kaominin’i Sadabe, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT