Fifamoivoizana

Distrikan’Andapa Hisitraka ny tetikasa rarivato ihany koa


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Hahazo anjara 2,5 kilaometatra amin’ilay tetikasa rarivato ihany koa ny ao amin’ny distrikan’Andapa,

 

 

 faritra SAVA, raha ny fanapahan-kevitry ny governoran’ny faritra ao an-toerana, Tokely Justin, sy ireo tompon’andraiki-panjakana miara-miasa aminy ny faran’ny herinandro teo. Efa niteraka resabe ny fandrenesana fa tsy isan’ireo hisitraka izay tetikasa izay ity distrika ity saingy tapaka, araka izany, fa hahazo ny anjarany ihany koa ny ao Andapa ao. Taorian’ny tsanga-tanana dia voatsinjara fa atao rarivato ny 1,5 kilaometatra mampitohy an’i Antangena sy Betsakotsako. Toy izany koa ny 1 kilaometatra mampitohy ny tranompokonolona sy Andapa atsimo. Tsy marina noho izany ny filazana fa tsy isan’ny hisitraka ity tetikasa lalana rarivato mirefy 10 kilaometatra ity i Andapa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT