Distrikan’Ambohidratrimo

Simba tanteraka ny lalana mampitohy an’Ivato sy Ambato


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Tsy maintsy novitaina ny zoma teo, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga

Sarobidy Rakotondravao, ny fihaonana tamin'ireo solontena avy amin’ny fokontany miisa 15 ato anaty kaominina Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, na dia ratsy aza ny lalana. Efa tena simba ny lalana mampitohy an’Ivato sy ny kaominina Ambato ka mila jerena manokana sy atao laharam-pahamehana mihitsy satria hiankinan’ny fiainan'ireo tantsaha mba ahafahany mamoaka ny vokatra avy ao an-toerana, hoy izy. Nandeha nankany amin’ny kaominina Ambato ny tenako ny zoma teo ary tsy tonga ny fiara nandehanana noho ny lalana ratsy sy lavaka, indrindra fa amin'izao fahavaratra izao. Niezaka hatrany izahay. Natao izay nahatongava ka nifindra nandeha moto fa tsy maintsy tonga no tanjona. Miezaka hatrany manatona sy mifampiresaka amin'ireo vahoaka eny ifotony ny tenako sy ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ka mankasitraka ny mpikambana rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT