DIGY FENOARIVO

Fiara 4 indray nifampitrongy


  • Alatsinainy 02 Septambra 2024

Fiara miisa 4 be izao no indray nifampitrongy omaly Alahady 08 Septambra folakandro teny amin’ny Digy

Ampitatafika hiazo an’i Fenoarivo, lalam-pirenena voalohany. Fiara tsy mataho-dalana avokoa ny roa voalohany raha spinter sy kamiao ny roa ambiny. Raha araka ny vaovao azo teny an-toerana dia samy nandeha mafy avokoa izy ireo. Ny lalana rahateo malalaka ary samy hiazo ny lalam-pirenena voalohany. Nijanona tampoka anefa ilay fiara tsy mataho-dalana voalohany ka tsy nahatana tsindry hisatra ilay fiara tsy mataho-dalana faharoa taoriany. Torak’izay koa ilay fiara Sprinter sy ilay kamiao ka ireto farany no tena niraikitra. Potika tanteraka ny fitaratr’ilay kamiao vokatr’izany raha toraka izany koa ny fiakarana miditra ao amin’ilay fiara sprinter aoriana. Niteraka fitohanana goavana teny amin’iny digy Ampitatafika iny moa izany tranga izany omaly. Tsy maintsy nampifandimbiasina mantsy ny fiara niakatra sy nidina ka nahalany 30 minitra teo ho eo avy ny fiara tsirairay niandrasana izay fitohanana izay. Samy nijanona avokoa moa ny mpamilin’ireo fiara miisa 4 nifampitrongy niresaka sy nifandamina mikasika ny tokony hataony.
Pati
Legende : Ireo fiara roa farany ireo no tena niraikitra tanteraka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT