Fifamoivoizana

Digy Andohatapenaka Maty voahitsaky ny kamiao ilay mpitondra bisikileta


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Nitrangana trangan-javatra mampalahelo omaly teny amin’ny digy Andohatapenaka.

 

 

 

 Lehilahy iray, mpitondra bisikileta nianjera avy any an-kavanan’ilay bisikileta nentiny no nifatratra tany ambanin’ilay kodiarana kamiao lehibe izay nifanenana taminy, hoy ireo nanatri-maso. Omaly folakandro ny nitrangan’izany. Namoy ny ainy tsy fidiny ity farany. Hany herin’ireo olona teny an-toerana moa dia nandrakotra lamba fotsy ilay razana mandrapahatongan’ny fianakaviana nijery sy nikarakara izany. Tokony ho malina hatrany ny rehetra manoloana ny tranga tahaka itony fa lahitokana ny aina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT