Nandritra ny taona 2009 ka hatramin`izao, 60% ny lalana any amin`ny Faritra Atsinanana dia tsy tafiarina avokoa.
Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny faharatsian’ny lalana any an-toerana ary saika potika sy simba avokoa ny lalana rehetra aleha. Miteraka fiantraikany mivantana any amin`ny mponina fa tena midangana ny vidim-piainana. Manamboatra ihany ny fitondram-panjakana kanefa dia tsy manana politika mazava. ``Menatra amin`ny lalana amin`ny faritra Atsinanana aho, indrindra ny lalana any Fenoarivo Atsinanana satria lany depiote tany an-toerana ny tenako`` hoy Razafindravelo Hermann, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tany Toamasina. Araka ny nambarany hatrany dia tao anatin`ny efa-taona dia 25% ireo lalana nanaovana fanarenana mampifandray an`I Fenoarivo Atsinanana sy Toamasina, izay mirefy 160 km, ihany no sisa tavela. Amin`ny maha injeniera azy eo amin`ny sehatra asa vaventy rahateo dia mametra-panontaniana izy hoe mangarahara ve ny fitantanana ny volan`ny Tahiry Fikojakojana ny lalana (FER) tangosana amin`ny vidin-tsolika kanefa tsy misy fikarakarana ny lalana ? Voaloa ara-dalàna ihany koa ve ny vola azo avy amin`ireo orinasa lehibe mpisehatra ny solika ? Andrasan’ny mpampiasa lalana amin`iny faritra iny noho izany ny fanamboarana tena matotra ireny fotodrafitrasa simba ireny satria tena iankinan’ny fizotry ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka mihitsy. Manao antso avo amin'ny minisiteran’ny asa vaventy mba hamerina hijery ireny zava-bita ireny fa dia tsy mifanaraka amin'ny vola lany ihany ny asa vita ny tenany. Araka izany aiza ho aiza ny fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana ny fanamboaran-dàlana ? Manaraka bokin’andraikitra sy ny lalàna amin’ny fahazoana ny tsenan’asa tokoa ve ireo orinasa mpanatanteraka ? Manoloana amin`izany fanamboaran-dalana kitoatoa izany dia nampafantarina omaly tetsy amin`ny minisiteran`ny Asa vaventy, ho an`ny rehetra sy ho an` ireo minisitera mpanome asa toy ny fambolena, ny fiompiana, M2pate, ny asa vaventy, ny fitaterana ary ireo trano fiantohana, izay miantoka ny asa vita rehetra ao anatin`ny fotoana, ireo laboratoara manana fankatoavana amin` ny fanjakana sy amin`ny CALG na Comite d`agreement pour les laboratoires geotechniques. Nandritr’izany ihany koa no nanomezana ny toromarika ho an`ireo orinasa hafa izay liana sy hangataka ny fankatoavana. Tsara ihany ny manamarika fa rehefa manatanteraka fotodrafitrasa dia tokony misy laboratoire mba miantoka ny kalitao an`izay asa vita sy ny faharetany, hoy Andrianarivelo Jose Willy, Injeniora TP sady filohan`ny CALG.
|
Razafindravelo Hermann, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena sady solombavambahoaka voafidy tany Toamasina dia filohan`ny Faritra Analajirofo voalohany teto madagasikara tamin`ny taona 2006. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.