Fifamoivoizana

CUA sy mpitatitra eto Iarivo Misy ireo olana novahana avy hatrany


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Taorian’ny fihaonana fifampiarabana nahatratra ny taona teo amin’ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA),

 

 Lalao Ravalomanana sy ireo  matihanina eo amin’ny sehatry ny fitaterana  eto  an-drenivohitra  ny talata lasa teo, dia nisy ny fivoriana  niarahan’ny roa tonta  natao  tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly alarobia 16 janoary 2019. Voasolotena ny avy amin’ny Vondron’ny mpitatitra an-tanàn-dehibe na ny UCTU, ny Fitaterana Mendrika eto Antananarivo (FMA), ny Vondron’ny taxi matianina (VTM),… Tapaka nandritra ny handinihana zavatra maro hanatsarana  ny fomba fiasa amin’ny fitaterana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara.  Nisy ny fitondran’ireo mpitatitra ny hetahetany  tamin’ny ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa, amin’ny  maha  mpiahy mivantana  azy ireo  amin’ny asa   hiantsorohany.    Fehin-kevitra maro no tapaka tamin’izany,  nivoahan’ny vahaolana  azo azo nampiharina  teo no eo ihany, toy ny fanalana ireo mpivarotra amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara mpitatitra, ny fanaovana familian-dalana na « déviation », fanohizana ny fametahana ireo takelaby famantarana, fijerena ireo toerana tena be fitohanan’ny fiarakodia,… Misy kosa ireo fangatahana  izay mila  fanapahan-kevitry ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo amin’ny   volana  febroary ho avy izao toy ny resaka « licence ». Ankoatra izany, olana goavana  sedrain’ireo mpitatitra ny faharatsian’ny  lalana  eto Antananarivo Renivohitra. Tsy mijery fotsiny izany ny CUA  fa manao izay vitany amin’ny fanapenana ny lavadavaka. Anjaran’ny  minisiteran’ny   asa vaventy kosa no tena manamboatra izany.  Koa rehefa mitsangana ny  fitondrana vaovao dia  hisy ny fiarahana mitaky amin’ny minisitera misahana   izany ataon’ny mpitatitra sy ny  kaominina. Naneho ny fahavononany  hiara-kiasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpitatitra,  mba ho tombontsoan’ny  rehetra. Hisy, araka izany, ny fihaonana matetika ho fanatsarana sy fanatevenana ny fiaraha-miasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT