Fifamoivoizana

CUA sy ireo mpitatitra Nifanaiky ny maha zava-dehibe ny fanarahan-dalàna


  • Alarobia 22 Mey 2019

Notontosaina omaly teny amin’ny Biraon’ny « Contre visite » Antsakaviro ny fivorian’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) notarihin’ny Tale misahana ny fitaterana sy fivezivezena an-tanàn-dehibe,

 

 

 

Landy Raveloson sy ireo solontenan’ny vondron’ny mpitatitra eto amin’ny tanànan’Antananarivo dia ny UCTU sy ny FMA . Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny UCTU ary ny FMA moa no nodinihina. Tokony hanao « contre visite » eny Antsakaviro avokoa ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra isaky ny 4 volana, izany hoe in-3 isan-taona. Hanao fampitahana ny lisitr’ireo fiaraha- miasa any anaty koperativa tsirairay ny vondron’ny mpitatitra sy ny kaominina mba hahafahana mahafantatra ireo fiara tena miasa marina ary ahalalana mazava ihany koa ny isan’ny fiara mpitatitra rehetra eto Antananarivo . Hametaka « autocollant » eo amin’ny fitaratra anoloan’ny fiara mpitatitra rehetra ny CUA mba hampiavaka ny mpitatitra an-tanàn-dehibe sy ny mihoatra ny tanàn-dehibe, mba hanavahana ihany koa ireo fiara mpitatitra tena izy ary ao anaty koperativa ara-dalàna marina, ary ho fanehoana ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny UCTU ary ny FMA. Ny tanjona ho an’ny CUA, UCTU ary ny FMA dia ny fanentanana ny mpitatitra rehetra eto an-drenivohitra hiverina hanaraka ny rafitra ara-dalàna mba hanomezana fahafahampo ny mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavana raha nampahafantatra ireo teboka tapaka ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT