CRAFTER SY MOTO NIFANDONA

Naratra mafy ilay mpitondra kodiaran-droa


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana afak’omaly Alatsinainy 02 Desambra tokony ho tamin’ny 08 ora alina

tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 49+300 Kianjamaitso Fihorenana, Fokontanin’Antsahalava, Kaominina ambanivohitr’i Behenjy Distrikan’ Ambatolampy. Fiara crafter fitateran'entana avy any Antsirabe hiazo an’Antananarivo no nifandona tamina kodiaran-droa scooter Yamaha C3-100 cc avy aty Antananarivo hianatsimo.Vokatry ny fandehanan’ilay moto mafy sy fisongonana fiara hafa no nahatonga ny loza. Nifatratra mafy tany amin'ilay fiara crafter nifanena taminy ilay moto sy ny mpitondra azy vokatr’izany. Naratra mafy ilay mpitondra moto izay fantatra fa vao 20 taona monja ka tsy maintsy nalefa haingana namonjy hopitaly.
Pati
Legende : Samy potika tahaka izao ilay moto sy fiara nifandona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT