Fifamoivoizana

CNaPS Ahiana hanara-dia ny Air Madagascar


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Tratry ny fangejana ara-bola na “restriction budgétaire” ny CNaPS, niainga tany amin’ny raharaha fandefasana vola

nindramin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tamin’ny andron’ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Mamy Rakotondraibe. Ny any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika mihitsy no miditra an-tsehatra amin’ny raharaham-pitantanana sy ny fampiodinana amin’ny famoahana fanapahana mikasika ny CNaPS, raha tarafina amin’ny taratasin’ny Fiadidian’ny Repoblika nankany amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny 14 aprily 2023. Tao anatin’izay no nilazan’ny fiadidian’ny Repoblika fa ny fampiantoana dia mbola mihatra ankotran'ny sokajim-pandaniana vitsivitsy izay tsy maintsy atao. Voalaza fa nampitaraina ny Tale Jeneralin’ny CNaPS mpisolo toerana moa io satria tena sahirana tamin’ny fampiodinana ny CNaPS, ka nangatahan’io orinasa io ny hamahana ny fangejana ara-bola. Nalentika any am-ponja anefa ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, ary efa nisy ny fanohanana na “opposition” nataon’ny mpiasan’ny CNaPS, saingy mbola tsy misy valiny hatramin’izao. Nandrasana ny faran’ny herinandro lasa teo ny fitsarana io “opposition” teny amin’ny Fitsarana momba ny kolikoly na ny PAC eny 67Ha mba hanafahana ny Tale Jeneraly, saingy tsy nandeha. Ny resaka nandeha dia voalaza fa mbola teny amin’ny Minisiteran’ny fitsarana teny Faravohitra ny dosie. Voalaza fa nangataka fihaonana tamin’ny Minisitra noho izany ireo mpiasa saingy tsy voaray. Mifanindran-dàlana amin’izany, nikatona avokoa ny varavaran’ny CNaPS saika nanerana ny Nosy ny faran’ny herinandro teo, ary nirantiranty ny soratra hoe: “Aza atao tantely afa-drakotra ny tahirim-pirenena”. Na ny mpiasan’ny CNaPS aza mampanahy ny mety tsy hahazoany karama aoriana kely, raha ny feo mivoaka. Ahiana hanara-dia ny Air Madagascar ity orinasa mitantana ny fisotroan-dronon’ny mpiasa tsy miankina ity. Ahiana ho ritra sy fongana ny volan’ny mpiasa ka asa hoe: mieritreritra ny ho hafa-maina ve ny tompon’antoka? Hiandry ireo vahoaka an’aliny hitroatra ve vao ho taitra? Mihevi-tena ho tsimatimanota mandrakizay ve ka na inona na inona famotehana sy halatra atao eto amin’ity firenena ity dia ho vita hatrany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT