Fifamoivoizana

Clémence Rahariniriana -FTAR Manjaka tokana, hoy ny filoha lefitra teo aloha


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Nanentana ireo mpitatitra fiarakaretsaka rehetra eto Antananarivo tetsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary omaly ny solontenan’ireo mpitondra fiarakaretsaka izay tsy mankasitraka ny fitokonan’ireo mpikambana sasantsasany avy eo anivon’ny fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra

Nanentana ireo mpitatitra fiarakaretsaka rehetra eto Antananarivo tetsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary omaly ny solontenan’ireo mpitondra fiarakaretsaka izay tsy mankasitraka ny fitokonan’ireo mpikambana sasantsasany avy eo anivon’ny fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR mba tsy hihinana am-bolony izay lazain’ny filohan’ny FTAR ankehitriny, Clémence Rahariniriana, fotsiny fa mba handinika tsara. Nanambara ny filoha lefitry ny FTAR teo aloha, Fidèle Ramiandrisoa, fa antony tsy nampifanaraka ny tenany tamin’ity filoha ity intsony ny fanapahan-kevitra samirery matetika loatra ataony. Anisan’izany ny tsy fisian’ny tatitra mazava mikasika ny vola niditra sy nivoaka teo anivon’ny biraon’ny FTAR raha nanao « opération Permis biométrique » tamin’ny fotoan’androny. Nambara omaly (TTF : alakamisy) teny Ankorondrano anefa fa miisa 350 ireo Taxi efa nisitraka izany. “ Raha nandany 30.000 ariary isanisany ireo dia aiza ny tatitra ?”, hoy izy. Ny fivoariambe (A.G) teny Mahamasina izay natrehana mpitatitra an’arivony latsaka kely, no nandany ny tenako ho filoha lefitry ny FTAR, hoy izy, kanefa dia fanapahan-kevitry ny filoha vaovao niaraka tamina birao vitsivitsy fotsiny no nanalana ny tenako tamin’ny toerako avy eo. Betsaka ny fanapahan-kevitra samirerin’ny filoha ary nampandaniana izany fotsiny avy eo ny birao. Rehefa nojerena ny zava-nisy hatramin’izay dia niezaka niantso fifanakalozana sy nandefitra tamin’ireo Taxi hatrany ny CUA fa sao dia ny FTAR kosa, hoy izy, no manangam-pahavalo ny CUA.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT