CLEMENCE FTAR

« Tsy tokony hisy taxi lany lasantsy an-dalana izany »


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Tsy tokony hisy taxi na fiara karetsaka lany lasantsy an-dalana izany hoy Raharinirina Clemence filohan’ny FTAR,

indrindra raha mitondra mpandeha na amin’ny alina izany na amin’ny atoandro. Indraindray koa anefa dia nambarany fa mety ho tsy fidiny no hitrangan’izany. Noho ny hamaroan’ny mpifaninana mantsy hoy izy toy ny taxi-moto, ny bajaj….dia lasa sahirankirana ny mpamily taxi. Tsiahivina moa fa vaovao tsy marina ilay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook nilaza fa nisy « taxi » potika tanteraka teny Ankadimbahoaka rehefa lany lasantsy ka nanorisory ireo mpandeha telolahy tao anatiny ny Alatsinainy 27 Janoary alina teo hoy ny polisim-pirenena avy ao amin'ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina. Taxi niharan’ny lozam-pifamoivoizana efa ela io nisy naka sary ary nanaparitaka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook io, hoy ihany ny polisy.
Pati
Legende : Rtoa Raharinirina Clemence filohan’ny FTAR !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT