Fifamoivoizana

CCO Covid Ivato Nidoboka am-ponja ilay vazaha nidaroka jeneraly


  • Talata 15 Septambra 2020

Nisehoana savorovoro teo anoloan’ny vavahadin’ny CCO Ivato ny faran’ny herinandro teo.

 

Teratany vahiny iray no voalaza fa nikasi-tànana ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja Mpandrindra ankapoben’ny CCO sady Tale Jeneralin’ny BNGRC. Mbola nopotehiny tamin’ny alalan’ny aroloha fampiasa amin’ny moto ny « rétroviseur » an’ny fiara nitondra ity jeneraly ity. Voalaza fa efa avy avy nikasi-tànana an’ity olona ambony ity io vahiny io vao niditra an-tsehatra ny mpiambina an’ilay manamboninahitra. Niantsoana mpitandro ny filaminana, ka notanana tany amin’ny tobin’ny zandary ilay teratany vahiny.Fototry ny savorovoro raha araka ny fantatra ny hoe nivoaka ny lalana avy ao amin’ny CCO ny fiara 4x4 nitondra ny jeneraly Elack Olivier, ilay vazaha nandeha moto avy any Ivato, ka saika nifandona ny roa tonta.Samy nijanona moa, nanatona ny fiara ilay vazaha izay hita fa tezitra ka nanao vava be sy avy hatrany dia nikasi-tanana. Niakatra fampanovana omaly ny tenany, ka nidoboka any am-ponja vonjimaika (MD) avy hatrany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT