Fifamoivoizana

Carrozza Heliarisoa “Sokafy amin’ny rehetra ny habakabaka”


  • Zoma 18 Martsa 2022

Mangataka ny famelarana ny sidina anabakabaka tahaka ny Ethiopian Airlines, Kenya Airways,… hisidina eto Madagasikara ny Fikambanana Zanak’i Gasikara na AZIG tarihin-dRtoa Carrozza Heliarisoa.

Ireny no handrasan'ny maro, ary tokony homena alalana hiditra ao Madagasikara, koa mangataka ny hanomezana ireo an’ireo kaompania roa hiverina hiasa ao Madagasikara izahay, mangataka ihany koa ny fampodiana tsisy ata-kandro ireo vehivavy voafonja ao Arabie Saoudite ihany koa izahay, hoy ny fanehoan-kevitra. Ampy kosa angamba izay sazy nomena azy ireo izay, fotoana tokony hiverenan'izy ireo eo anatrehan'ny fianakaviany any an-tanindrazana izao, hoy ny fanambarana. 4 ireo teratany Malagasy izay nody avy tany Koweït t raha 11 no isan'ireo tokony ho nody, 7 zany no tsy lasa noho ny tsy faneken'ny Kaompania Kuwait Airways hitondra ny olona tsy manana taratasy ara-dalàna. Malaza hoe misokatra ny sisin-tany, nefa toa mbola ireo kaompania teo aloha ihany izay lafo dia lafo ny vidin'ny tapakila ary maro ireo kaompania tsy te hitondra olona hanao « escale » any Paris, hoy ny fanamarihana. Mba hialana amin'ny fangataham-bonjy sy ny horonan-tsary fangatahana amin'ny fanjakana matetika ny amin'ny fampodiana ireo teratany malagasy izay voafonja Koweït dia, niezaka izahay ato amin'ny AZIG sy ny fanjakana Kuwaitianina ny hifanome tànana amin'ny fampodiana azy ireo isak'erinandro mnnomboka ny 13 martsa 2022 no nitodi-diha taty an-tanindrazana, efa mahatratra 40 eo izy ireo no ao am-ponja. Noho ny tsy faneken'ireo ''Compagnie aérienne'' ny fitondrana olona tsy manana taratasy ara-dalàna na ny olona mampiasa (laissez passer) hanao “escale” ao Paris dia voatery tsy maintsy halefa tsikelikely izy ireo, hoy ny fanamarihana. Ny 20 martsa indray moa ny andiany faharoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT