BY PASS_TOVOLAHY VOADONAN’NY FIARA

Nitsoaka ilay mpamily, miady amin’ny fahafatesana


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny omaly Talata 26 Jona hariva ilay tovolahy iray manodidina ny 30 taona

voadonan’ny fiara tsy fantatra teny amin’ny By Pass ny harivan’ny 25 Jona teo. Olona teny amin’ny manodidina ihany no nahita io tovolahy io efa nitsirara tsy nahatsiaro tena ka nanatitra azy teny anivon’ny hopitalim-panjakana CHU HJRA Ampefiloha. Voatery noraisina an-tanana ao amin’ny sampana vonjy aina ity tovolahy ity noho izany. Ny hopitaly avokoa no mandray an-tanana ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy. Raha ny loharanom-baovao azo dia ny lohany no tena voa amin’ity tovolahy iray ity. Miantso izay mahalala azy sy ny fianakaviany araka izany ireo mpitsabo eo anivon’ny hopitaly HJRA mba ho avy hijery sy hikarakara azy eny an-toerana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny manjo ilay tovolahy nodomin’ny fiara teny amin’ny By Pass !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT