By Pass_Kamio sy Moto nifandona

Tapaka ny tongotr’ilay mpanamory


  • Zoma 10 Mey 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahery vaika indray omaly takariva teny amin’ny

By-pass raha ny vaovao azo. Moto iray marika Kymco GP sy kamio no nifandona na nanao « face à face » raha amin’ny teny vahiny. Vokany, tapaka ny tongotr’ilay nitondra moto. Soa ihany fa nipitika ilay nitondra moto dia tsy voatery tao ambany, fa raha tsy izany mety nisy ny aina nafoy, hoy ny fanamarihana. Mirary fahasalamana ho an’ny tra-doza, ary manentana hatrany ny mpampiasa làlana hitandrina satria tena manao ranolava ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT