By Pass Amoronankona

Fiara saika hisongona tra-doza, iray maty


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny By pass Amoronakona ny faran’ny herinandro teo.

Fiara kely iray somary nandeha mafy no nisongona ny fiara teo alohany kinanjo nifanehitra tamin’ny fiara 4x4 tsy mataho-dalana tampoka. Niezaka ny niala izany ny mpamilin’ilay fiarakely kinanjo nidofotra tany amina kamiao iray lehibe indray. Vokany, olona iray tao anatin’io fiara kely io no namoy ny ainy. Nentina namonjy hopitaly izy nandritra izany na dia teo aza ny fahasimban-javatra saingy tsy nahavotra ny ainy intsony ny zava-niseho. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia olon-dehibe nipetraka teo aloha anilan’ny familiana an’ilay fiarakely io namoy ny ainy io. Tsiahivina hatrany moa fa olona 10 isan’andro no mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao. Avy amin’ny olana ara-teknika mahazo ilay fiara ny 80% niteraka ny loza raha avy amin’ilay mpamily kosa ny 20%. Tsy tokony handeha mafy araka izany ny mpamily rehefa mahazo familiana. Tokony hitandrina ihany koa rehefa hisongona na dia tsara aza ny lalana fa ny tampoka tsy mahalehilahy.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT