Fifamoivoizana

By Pass Ambohimangakely Olona 7 indray matin’ny lozam-pifamoivoizana


  • Talata 13 Aprily 2021

Nandriaka indray ny rà teny amin’ny amin’ny làlana By Pass alohan’ny hidirana ny Rond Point Ambohimangakely omaly takariva tokony

 

 

 ho tamin’ny ora mahery kely. Fiara marika sprinter nandeha mafy no nidona tamin’ny kamio lehibe. Mafy dia mafy ny fifandonana, hany ka potika tanteraka ilay fiara. Olona miisa 7 no indray namoy ny ainy teo noho eo, ka zazakely ny roa tamin’ireo, raha ny tatitra vonjimaika omaly takariva ihany. Ny tany amin’ny Hopitaly aza voalaza fa mbola nisy hafa namoy ny ainy. Fianakaviana vao avy nandevina ireto mbola nidonam-pahoriana noho ny loza mahatsiravina ireto. Voalaza moa fa mamo ny mpamilin’ity fiara sprinter ity, ka izay no heverina fa nahatonga azy handeha mafy sy tsy nahafehezany ny familiana. Tsy maty izy fa ny tanany no tapaka, raha toa ka nandositra kosa ny mpanampy ity mpamily ity. Tany amin’ny 9ora sy fahefany alina vao tafavoaka ireo olona tao anatin’ny fiara, izay nifampisokirana, raha ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao iray. Mila mitandrina hatrany satria ny loza tsy mampiomana. Mirary fiononana ho an’ny fianankaviana tra-pahoriana isika, ary mirary fahasalamana feno ho an’ireo maratra.

EFA NOTENENINA NY MPAMILY SAINGY …

 Tamin’ny 9 no niala taty, ary tamin’ny 2ora sy sasany no tonga tany Beravina Ambohitrandriamanitra. Somary mbola lavitra ny fasana, ka izahay nandevina ary ry zareo nisotro toaka gasy, hoy ireo mpandeha velon’aina. Teny an-dàlana izy ireo dia efa miady hitondra ny fiara. Efa niteny izahay sy ilay anadahinay izay isan’ny maty hoe: misy kamio io aloha io, fa mitandrema, saingy valin-teniny dia hoe hitanay io, fa tsy ianareo no hibaiko anay, kinanjo vao tapitra ny teninay, dia io nadofony tamin’ny kamio io, hoy ny vehivavy iray tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny fahitalavitra Real TV taorian’ny loza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT