Fifamoivoizana

Bus maoderina 1000 tsy nety tonga Nambara indray fa tsy mifanaraka amin’ny solika eto


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Olan’ny tsy fifanarahan’ny maotera amin’ny solika misy eto Madagasikara no naha tar any fanafarana ireo “bus” maoderina nampanantenain’ny Fanjakana,

raha ny voalazan’ny Minisitry ny fitaterana Atoa Roland Ranjatoelina omaly 7 febroary 2023 nandritra ny fanatrehany ny “journée de l’aéronautique” teny Ivato. Tany amin’ny jolay 2022 moa no nampanantenana an’io rehefa nisy ny fiakaran’ny vidin-tsolika hatrany amin’ny 1500Ar sy 1800Ar isaky ny litatra ka nampiady hevitra ny Fanjakana sy ny mpitatitra an-tànan-dehibe ny resaka fampiakarana saran-dàlana, ary dia io bus maoderina 1000 isa io no isan’ny nambara fa vahaolana. Nolazaina fa ho tonga mialohan’ny faran’ny taona 2022. Ny tapaky ny volana desambra tamin’io taona io anefa, nilaza ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika sady Mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Ranoromaro fa tsy ny tenany na ny Filoha no nampanantena an’izany. Aty amin’ny febroary 2023 indray dia io milaza io ny Minisitry ny fitaterana fa resaka solika indray no olana tsy nahatongavany, ary mbola manohy ny fikarohana “bus” mifandraika amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny Fanjakana. Angaha lasa niverina ho fampanantenan’ny Fanjakana indray ilay izy ? Nambara fa tsy mifanaraka amin’ny solika eto ny bus maoderina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny maoteran’ireo bus ankehitriny dia manaraka ny fenitra Euro 6 ka raha mampiasa an’io isika amin’ny alalan’ny solika misy eto Madagasikara dia hihasimba tsikelikely nny maotera satria tsy mitov ny tahan’ny “soufre”, araka ny fanazavan’ny minisitra. Ny bus manaraka ny fenitra Euro 3 no farany mbola azo ampiasaina eto, kanefa sarotra tadiavina io satria tsy dia betsaka ny mpamokatra azy, raha ny nambarany. “Tsy te hamitak’olona aho, ka hanolo-kevitra bus izay mety ho simba ao anatin’nyy 3 volana”, hoy io Minisitra io. Etsy andaniny, tany aloha dia nomena tsiny ho antony tsy nahatongavan’ny bus ireo mpandraharaha ara-pitaterana fa hoe: tsy nanao kaomandy. Raha ny fantatra, malaina sy tsy dia marisika amin’io ny ankamaroany eo anatrehan’ny vidiny midangana be ka asa indray na hisy fiovana izany rehefa mahita ilay hoe: manaraka ny fenitra Euro 3? Fanontaniana hafa mipetraka ihany koa eo anatrehan’ny fanazavan’ny Minisitry ny fitaterana ny hoe: tsy manaraka ny fenitra ve izany ny solika asaina jifain’ny Malagasy eto matoa tsy mety amin’ny bus maoderina kanefa efa tena midangana ny vidiny? Fanariana “zaoridira” hatrany ve izany ny firenentsika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT