Fifamoivoizana

“Bus intelligent” Tsy ekenay, hoy ny filohan’ny UCTU


  • Alatsinainy 13 Martsa 2017

Nankalaza ny faha-30 taonany ny kaoperativa “Analamahitsy Transport” ahitana ny zotra 136 sy ny 183 ka teny Anosy Avaratra no nanamarihana azy.

Nankalaza ny faha-30 taonany ny kaoperativa “Analamahitsy Transport” ahitana ny zotra 136 sy ny 183 ka teny Anosy Avaratra no nanamarihana azy. Nandritra io fotoana io no nitondran’ny filohan’ny vondron’ireo kaoperativa miasa eto an-drenivohitra (UCTU) Andrianambinintsolomora Bérnardin ny heviny momba ny sehatry ny fitaterana an-tanàn-dehibe. Nohamafisiny indray fa tsy vahaolana ny fampidirana ireo fiara lehibe amin’ny alalan’ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Miezaka izahay hampitombo isa ireo fiara somary kely maodely amin’izao fotoana izao ireny, fa raha ireny fiara lehibe hampidirina amin’ny alalan’ny tetikasan’ny filoham-pirenena na ny “Bus intelligent” ireny, dia tsy matahotra miteny  izahay fa tsy ekenay ireny, hoy ny filohan’ny UCTU. Nambarany fa tsy mifanaraka amin’ny fotodrafitrasa eto ireny satria tery dia tery ny lalàna. Tamin’ny taona 1983 dia 15 minitra no lany amin’ny zotra mandroso sy miverina mampifandray an’Analamahitsy sy Analakely. Handaniana ora maro izao, ary hitombo raha mbola hampiana ny “bus intelligent”, hoy izy. Hihenjan-droa ny tady eo amin’ny fanjakana sy ny UCTU manomboka eto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT