BUS H

NIFANDONA TAMIN'NY 4x4 Olona iray naratra mafy


  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly

hariva tokony ho tamin'ny 07 ora hariva tany ho any teny Sabotsy Namehana, distrikan'Avaradrano. Taxibe iray ao amin'ny zotra H avy any ambany, hiakatra ho any Ankadikely no nifandona tamin'ny fiara 4×4 nandeha mafy avy any ambony, sady nangalatra havanan-dalana hoy ireo nanatri-maso. Teo akaikin'ny Papy Sabotsy Namehana no nitrangan'izany. Soa anefa fa tsy nisy ny aina nafoy. Olona iray tao anatin'ilay fiara tsy mataho-dalana no voalaza fa naratra mafy raha ny nambaran'ny nanatri-maso hatrany. Nitohana tanteraka noho izany ny fifamoivoizana teny amin'iny faritra iny omaly hariva. Tonga hatrany Ambohitrarahaba izany izay tena nampiteny ny moana tokoa. Tsy vitsy ireo voatery nandeha dia an-tongotra vokatr'izany na dia maizina aza ny andro, indrindra fa ho an'ireo mpiasa sy mpianatra. Samy nahitana fahasimbana avokoa moa ilay taxibe sy fiara 4x4.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny fahapotehana nahazo ireo fiara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT