Fifamoivoizana

BUS CLASS Hiasa manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Amin’ny Alatsinainy 02 Aogositra ho avy izao no hanomboka hiasa ilay "Bus Class" fitateram-bahoaka vaovao hiasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina saingy manara-penitra kokoa.

Miisa 07 izy ireo no fantatra fa hitatitra mpandeha amin'izao fanombohana izao ka hijanona ho 1.500 Ar ihany ny saran-dalana. Ny zotra 192 sy 194 no isan'ny hisantatra ity "Bus Class" ity.Tsy miova ny "trajet" mandritra izany fa manaraka hatrany ny lamina isaky ny kaoperativa. Tsy hisy kosa ny saran-dalana tapa-dàlana...Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : mety hahavaha ny olan’ny fitohanana eto an-drenivohitra ve ny fisian’ity bus class ity izay voalaza fa manara-penitra ity ? Hiteraka filaminana ho an’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ihany koa ve ny fisian’izany noho ny hamaroan’ireo taxibe marobe izay efa miasa eto amintsika isaky ny kaoperativa ? Andrasana araka izany izay mety ho vokatra tsara entin’ny fisian’ity bus class ity eto an-drenivohitra sy ny manodidina na ho an’ny mpanjifa izany na ho an’ireo koperativa mitovy aminy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT