Fifamoivoizana

Botry sy sambo nifandona Tafakatra 14 ireo namoy ny ainy


  • Talata 13 Septambra 2022

Efa notaterina teto omaly ny trangana lozam-pitaterana anaty rano niseho ny alahady 11 septambra, tamin'ny fito ora sy sasany hariva tany ho any.

Rendrika teo alolohan'Antafiapatsa, Antsohihy, ny sambo MAZAVA II rehefa nifandona tamin'i botry EAU VIVE Fenorano izay lehibe noho izy. Niainga tany Ambiky ny sambo MAZAVA II, izay nítondra entana ilaina amin'ny andavanandro sy olona miisa 35, ka 15 minitra tsy hidirana an'Antanfiapatsa, Antsohihy no nisehoan'ny fifandonana, araka ny tatitry ny antokon-draharaha momba ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina na ny APMF omaly. Rendrika teo no ho eo ny sambo MAZAVA Il vao niharan-doza. Ny botry nandona kosa dia tsy nijanona fa nitohy nanohy ny lalany.Olona roa (02) sy nofo mangatsiaka sivy (09) no hita, nisy ihany koa ireo olona avotra hafa namonjy ny ala honko, raha ny tatitra ny APMF omaly atoandro. Tafakatra 14 kosa izany, raha ny tatitry ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandinonin-doza. Saron’ny APMF tao Analalava kosa ny botry EAU VIVE Fenorano tamin'ny 12 ora alina sy 43 minitra, niaraka tamin'ireo mpanamory efatra (04) sy mpandeha (03) tao anatiny, ary nampihantsona azy ao Analalava hanaovana ny fanadihadiana. Heverina fa ny andro efa maizina sy ny tsy fisian'ny jiro tamin'ny sambo MAZAVA II no fototry ny loza ka niteraka ny tsy fifankahitana teo amin'ny sambo roa, hoy ny fanamarihan’ny APMF. Mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana izay ifandrombonan'ny APMF, ny Zandarimaria, ny Polisim-pirenena,… Notsiahivina ny fepetra laharana 051- APMF/DG/DRASect.mart/Antsohihy/22 momba ireo fenitra sy lalàna sasantsasany mikasika ny asa an-dranomasina ao amin 'ny seranan-tsambon' ny Antafiapatsa-Antsohihy sy ny manodidina izay natao ny 14 aprily 2022, sy ny Naoty laharana 243-APMF/MJ/22 natao ny 23 mey 2022. Isan’izany ny: tsy maintsy handalovana fisavana avy amin'ny APMF, zandarimaria ary ny kaominina (amin'ny toerana tsy misy APMF) ny lakana, ny entana sy ny olona izay vao mahazo mandeha ny lakana, hajaina ny isan'ny mpandeha ao amin'ny "Permis de navigation », sy tokony hanao salotr'aina (gilet de sauvetage) daholo ny mpandeha sy ny ekipazy, tsy azo atao ny mandeha alina raha sambo tsy manana RADAR,… Iza ary izany no tsy nanao ny asany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT