BORIBORINTANY FAHATELO

Namboarina ny tetezana ao Andravoahangy


  • Zoma 22 Martsa 2024

Toromariky ny PDS -n'Antananarivo renivohitra Atoa Richard Ramanambitana

ny tsy maintsy hidinan’ireo delegen'ny boriborintany rehetra ireo maharary ny vahoaka eny ifotony ho famaliana sy ho fijerena ny hetahetan'ny mponina eto Iarivo. Nanatanteraka izany avy hatrany ny delegen'ny boriborintany fahatelo Razafimandimby Rija Ethel sy ireo mpiasa aminy ka avy hatrany dia nirotsaka an-tsehatra tamin'ny fanamboarana ny tetezana teo amin'ny tsenan'Andravoahangy, omaly Alakamisy 21 Martsa. Mpivarotra, mpibata entana, mpiantsena, olona maro...no mifamezivezy sy mampiasa ity tetezana ity isan’andro. Miisa 300 isan’andro izy ireo raha kely. Efa tena sarotra sy nanahirana anefa ny fiampitana tamin’ity tetezana ity teo aloha vokatry ny fahaloavan’ny hazo ka izao nasiam-panamboarana izao. Vita omaly Alakamisy ihany koa ny fisokirana ireo karazana tata-drano ao Andravoahangy izay mbola niarahan’ity Boriborintany iray ity sy ny SMA.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT