Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tany Ankazobe ny sampan-draharaha momba ny fitsarana ny fiara, ka nisy ny fanazavana natao teny Alarobia omaly.
Nivoitra ny firesahana ny mikasika ilay fiara « Boeing » tra-doza mitondra ny laharana 0838 TAH. Voasoratra amin’ny taratasin’ilay boeing tratran’ny lozam-pifamoivoizana, fa olona 79 ihany no tokony ho zakany ary tsy mahazo mitondra vesatra mihoatra ny 1,9 taonina. Ny lanjan’ny olona sy ny entana azony entina dia 7,5 taonina. 140 olona no nampidirina tao, kanefa ny ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, dia 60kg ny entana miampy 10kg entana enti-tànana, izany hoe 70 kg no eken’ny fanjakana amin’ny fitateram-bahoaka rehetra. Raha atao ny kajy tsotsotra hoe 70kg ny olona iray , 140 ny olona tao anaty fiara dia manome 9 800kg ny lanjan’ny olona fotsiny. 5 530 kg anefa no eken’ny fanjakana fa azon’io fiara io entina, izany hoe mihoatra eo amin’ny 4 270 kg na 4,2 taonina eo ho eo izany ny lanja nentiny ho an’ny olona fotsiny, ialan’ny entana, kanefa voalaza fa vatsy mandritra ny 10 andro no tao anatiny. Ny 29 oktobra 2014 no nanao “visite technique” farany ilay fiara ka ny 28 febroary 2015 izany no lany ; mahagaga hoe nahoana no mbola afaka nandeha ? Nohamarinina ny tany Toamasina, Mahajanga, Tsiroanomandidy saingy tsy nisy resaka fanaovana fitsirihana intsony, fa teny Nanisana ihany no nahitana ilay hoe tamin’ny 29 oktobra 2014 ny fitsirihana farany. Taiza no nanao fitsirihana ary taratasy taiza no nahafahany nandeha ? Mikasika ny fahamaizana sy ny fipoahana, dia tsy lojika mihitsy ho an’ny fiara mandeha amin’ny gazoala, fa nety nisy nitondra gazy na lasantsy tamin’ny zerikanina tao anatin’ny fiara, ka nahatonga ny fipoahana mahery vaika, raha ny fanazavana hatrany. Tsy miala andraikitra izahay mpitsara fiarakodia, fa mitondra fanazavana, hoy izy ireo. Raha ny fanazavana ara-teknika dia nisy fandikan-dalàna mihoampampana tao. Tsy vao tamin’ny andro nisehoan’ny loza ihany fa heverina ho nisy resaka kolikoly goavana tamin’ny nahafahan’ity fiara ity niasa tao anatin’ny taona vitsy, kanefa tsy nisy fitsirihana teknika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.