BISIKILETA NOTEREN’NY FIARA

3 mianaka indray namoy ny ainy


  • Talata 16 Jolay 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Ambatonapoaka,

lalam-pirenena voalohany omaly Alatsinainy 15 Jolay tokony ho tamin'ny 11 ora sy 15 minitra. Fiara tsy mataho-dalana 4X4 Rexton iray miloko mainty no fantatra fa nandeha mafy ka nitrongy mpitaingina bisikileta. Nifatratra avy hatrany tany amin'ilay bisikileta ity fiara ity ka nandona ihany koa ilay fiara Mazda teo aloha. Voatery teo afovoan'ny Fiara izy telo mianaka vokatr’izany. Maty teo noho eo ilay raim-pianakaviana raha teny andalana hiazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ilay renim-pianankaviana. Ilay zaza kosa tany amin'ny hopitaly vao namoy ny ainy. Efa tazomina natao andrimaso kosa ireo mpamily miisa 02 hahafantarana ny tena zava-misy marina. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT