BISIKILETA NOFAOHAN’NY KAMIO

Maty teo noho eo ilay mpitondra “cacapigeon”


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nahatratra roa ireo mpitondra bisikileta namoy ny ainy omaly raha araka ny loharanom-baovao azo. Ny iray teny amin’ny digy miazo an’i Fenoarivo.

Raha araka ny fantatra dia mpitondra bisikileta saika handeha hanao “livraison” izy io. Cacapigeon hamidy no saika hoteriny. Indrisy anefa fa nofaohan’ny kamiao teny amin’iny lalana iny ny anao lahy rehefa namikiviky mafy hanao ny asa toy ny mahazatra ka namoy ny ainy teo noho eo. Raha araka ny fantatra moa dia mitombo isa ireo mpitondra bisikileta mampiasa iny lalana miazo an’i Fenoarivo iny amin’izao. Toraka izany koa anefa ireo kamio lehibe izay marihina ihany koa fa saika mandeha mafy ny ankamaroany no sady feno entana. Mila mitandrina araka izany izy ireny hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Vola mantsy no tadiavina hivoaka ny trano fa tsy sanatria fahafatesana. Efa notanan’ny mpitandro ny filaminana moa ilay mpamilin’io kamiao nahafaty olona io mba hanaovana fanadihadiana.
To Pati Legende : Maty tsy tsa-drano tahaka izao ilay mputondra bisikileta !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT